9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.