27 Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
28 Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anatirova; ary maraina koa ny andro tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.
29 Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
30 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
31 Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
32 mba hahatanteraka ny tenin'i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban'ny fahafatesana izay efa hiaretany.
33 Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy?