8 Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
9 mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
10 Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.
11 Dia hoy Jesosy tamin'i Petera: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
12 Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin'ny Jiosy dia nisambotra an'i Jesosy ka namatotra Azy,
13 dia nitondra Azy tany amin'i Anasy aloha, fa izy no rafozan'i Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany.
14 Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.