39 Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy nony alina tamin'ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
40 Dia noraisiny ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin'ny zava-manitra, araka ny fanaon'ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
41 Ary nisy saha teo amin'ilay nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana; ary teo anatin'ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.
42 Ary teo no nandevenany an'i Jesosy noho ny andro fiomanan'ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.