1 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy.
2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady.
3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
6 Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy.
7 Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony.