13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
14 Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
15 dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
16 dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko.
17 Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9).
18 Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
19 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy.