1 Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
2 (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
3 dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
4 Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy.
5 Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany.