27 Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe:
29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy.
31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.
32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?