37 Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany.
39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
41 Ary maro koa no nino noho ny teniny
42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
43 Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.