1 Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
2 Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
3 Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.
5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
6 Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?