27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.
28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?
29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30 Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24).
32 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
33 Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao.