45 Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy.
46 Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48 Izaho no mofon'aina.
49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
50 Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.