47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48 Izaho no mofon'aina.
49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
50 Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
52 Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.