23 Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;
24 koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.
25 Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany.
26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.
27 Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,
28 ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.
29 Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.