27 Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
28 Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.
29 Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny..
32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
33 Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.