15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao;
16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;
17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy.
19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,
20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.
21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny