1 Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo,
2 mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,
3 Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina.