17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany.
21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
23 Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.