23 koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
24 Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
25 (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
26 Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ , ka vonoy eto anatrehako.
28 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
29 Ary raha nanakaiky an'i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianatra