42 ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany.
43 Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
44 ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
45 Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
46 ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
47 Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
48 nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.