41 Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
42 Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana.
43 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
44 ary satria nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.
45 Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
46 Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
47 Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.