38 Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra.
39 Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
40 Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
41 Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak'i Davida?
42 Fa Davida ihany no milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
43 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao (Sal. 110. 1).
44 Davida amin'izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?