12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.