16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.
19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
20 Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
21 Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.