18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.
19 Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20 dia nanidy an'i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa.
21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
22 ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
23 Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely,
24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa,