49 Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
50 Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
51 Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.
52 Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
53 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
54 Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
55 Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.