1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.
2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1);
3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3),
4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.
5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.