22 Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
23 Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?
24 Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
25 Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
26 Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;