24 Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin'ny folo taona
26 sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
27 koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.
29 Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.
30 Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?