52 Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.
53 Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo.
54 Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo
55 ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany.
56 Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.