1 Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.
2 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
3 ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.
4 Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.