13 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.
14 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
15 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
16 Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
17 Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.
18 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
19 Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.