17 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?
18 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;
20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
21 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona.
22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.
23 Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.