1 Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?
2 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
4 Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.
5 Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.
6 Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.
7 Lozan'izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan'izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.