5 Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa (Zak. 9. 9).
6 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy,
7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
8 Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.
9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).
10 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.