26 ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.
27 Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
28 Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
29 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.
30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
31 Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:
32 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.