12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
14 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.
16 Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.
17 Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
18 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.