1 Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy.
2 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.
3 Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona
4 ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
5 Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
6 Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
7 Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.