11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.
14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
16 Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
17 Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,