28 Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
29 Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30 Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po,
31 dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
32 Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
33 Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
34 Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)