2 Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra.
3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
4 Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe:
7 Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
8 Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).