12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.
14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.