1 Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako,
2 fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko.
3 Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo,
4 izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
5 azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena.
6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no Isiraely.