3 fa tamin'izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4 ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5 Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
6 raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.
7 Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
8 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
9 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.