1 Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema;
2 ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana.
3 Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
4 mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
5 hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra.
6 Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;