9 fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
10 koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
11 Koa izay tamingan'i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
12 Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
13 Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
14 Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an'ny Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama amin'izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
15 Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah.