1 Mpanjaka 4 MG1865

Ny amin'ny mpanao raharaham-panjakana, ary ny voninahitr'i Solomona sy ny fahendreny

1 Ary nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.

2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisorona;

3 Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;

4 ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;

5 ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan'ny mpanjaka,

6 ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana.

7 Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy.

8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima;

9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;

10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;

11 Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin'i Solomona, no vadiny);

12 Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy.

13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;

14 Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima;

15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona;

16 Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota;

17 Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara;

18 Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina;

19 Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany izany.

20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.

toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22