1 Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
2 Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
3 Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana.
4 Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.