1 Mpanjaka 2:24-30 MG1865

24 Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.

25 Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty.

26 Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy.

27 Ary Solomona dia nanongana an'i Abiatara tsy ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin'i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy.

28 Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.

29 Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.

30 Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy.