41 Ary Josafata, zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely.
42 Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
43 Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah;
44 kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
45 Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
46 Ary ny tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
47 Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.